• NY TALENTAKO

     

                                                                                   

    NY TALENTAKO

     

     

    HAVATSA-UPEM

     

     

    Fredy JAOFERA

     

    Poète

    Ancien Premier Secrétaire 

    de l'Union des Poètes et Ecrivains Malagasy (HAVATSA)

    Co-Fondateur et Premier Vice-Président

    de l'Union des Poètes et Ecrivains Malagasy section France

    Membre de l'Association des Poètes des Afriques et d'Ailleurs

    Chevalier de l'Ordre des Arts, des Lettres et de la Culture

    par la République de Madagascar

     

     

     

     

     

    NY TALENTAKO

     

     

     

    ANDRIAMANITRA

     

     

     

    Andriamanitra irery

    no mahita ny ato am-poko

    ka mbola nahay nijery

    fony tojo izay toloko.

     

     

    Andriamanitra ihany

    no mahita ny ato an-tsaiko

    ka atokisako avy hatrany

    rehefa reraka ny aiko.

     

     

    Andriamanitra Tsitoha

    no mibaiko itony fiainako

    ka n'inona n'inona manjo

    mbola Izy no itarainako.

     

     

    Andriamanitra tsy foy

    no mitarika ny lalako

    ka na tsisy izay fivoy,

    mbola Izy no tsy halako.

     

     

     

    Fredy JAOFERA

     

    HAVATSA-UPEM

     

     

     

    AOKA IZAY

     

     

     

    Aoka izay, ry tiako,

    ny manao izay mankarary ;

    aoka izay fa fijaliako

    'ty mba andro tsy manjary.

     

     

     

    Aoka izay, malala,

    ny mandrotsaka tomany ;

    aoka izay fa tsy mba hiala

    'lay anao irery ihany.

     

     

     

    Aoka izay, ry mamiko,

    ny manao izay mampahory ;

    aoka izay fa mbola halamiko

    'reo mitondra sorisory.

     

     

     

    Fredy JAOFERA

     

    HAVATSA-UPEM

     

     

     

    NY FOTOANA

     

     

     

    Ny fotoana

    no nanafoana

    ny tsiarom-pitia

    fa tsy mba ninia.

     

     

    Ny fotoana

    no nahamoana

    'reo androntsika

    raha tsy mikiaka.

     

     

    Ny fotoana

    no nanoloana

    nanova ny lasa

    ho to izay kinasa.

     

     

    Ny fotoana

    tsy hay ahoana

    no nampanadino

    anao ka halalino.

     

     

     

    Fredy JAOFERA

     

    HAVATSA-UPEM

     

     

    RAKI-MALALA

     

     

     

    Tsy afa-miala,

    mamelovelo

    matoa atoraka

    'zay nihafiana ;

    raki-malala

    ny alahelo

    matoa aboraka

    amin'ny tiana.

     

     

     

    Fredy JAOFERA

     

     

    HAVATSA-UPEM

     

     

    VODY SOBIKA

     

     

     

    Ny vody sobika

    manan-tandrify,

    na hitantsika

    fa ratsy nify.

     

     

    Ny vody sobika,

    tsy diso anjara,

    na ratsy bika

    sy maramara.

     

     

    Ny vody sobika,

    tsy very lalao,

    na mety adika

    fa osa be izao.

     

     

    Ny vody sobika

    ka misy mpitia,

    na entin-driaka

    sy very tabiha.

     

     

     

    Fredy JAOFERA

     

     

    HAVATSA-UPEM

     

     

    NY HATSARAM-PANAHY

     

     

     

    Soa ambony dia ambony
    tsy mba fanao mosalahy ;
    soa tsy mahalala lonjony
    ny, hoe,hatsaram-panahy.




    Harena tsy mety voasolo
    fa laza sy mba rehareha ;
    harena tsy ho bobongolo,
    na aiza ny toerana aleha.




    Tigetra mivoy hafaliana,
    tsara ombieny hisalorana ;
    tigetra manome fitahiana
    sy lalana tokony hizorana.




    Ezaho ny hatsaram-panahy
    fa toetra tsara ho tadidy ;
    ezaho re ka aza manahy
    fa tanjona iray sarobidy.

     

     

     

    Fredy JAOFERA

     

     

    HAVATSA-UPEM

     

     

     

    TANTARA

     

     

     

     

    Tantara ny vita,
    ry olo-nandalo,
    matoa aho nita
    fa dia natakalo.




    Tantara ny lasa
    ka hafa ny anio 
    fa be ny kinasa
    tsy misy tadio.




    Tantara ny toky
    ka fiainam-bao
    no eto mamoky
    ny zavatra atao.




    Tantara ny fery
    niarahana lava
    ka any sy very
    nisolo Mazava.





    Fredy JAOFERA

     

    HAVATSA-UPEM

     

     

     

    NY LITERATIORA

     

     

     

     

    Ny literatiora
    dia zava-kanto
    arovana mora
    mbola hilanto.

     

     


    Ny literatiora
    dia tari-dalana,
    tsy mpanakora
    sy mpamalana.

     

     

     

    Ny literatiora
    dia zava-tsoa
    ilaina isan'ora
    hanova tokoa.

     

     


    Ny literatiora
    dia fialamboly
    vao goragora,
    io mahangoly.

     

     


    Ny literatiora
    dia aina, rafeto,
    mahafotsy rora
    sy velona eto.

     






    Fredy JAOFERA

     

     

    HAVATSA-UPEM

     

     

     

    AMPITSO VAOVAO

     

     

     

    Ampitso vaovao
    tsara noho ny omaly
    no tiako ho anao
    sy tsy mba misy jaly.




    Ampitso vaovao
    mahaliana lalandava
    tsy ho tahaka izao
    fa afaka hampisava.




    Ampitso vaovao
    sarobidy noho ny anio
    tsy hilana raorao
    fa ny rindra madiodio.




    Ampitso vaovao
    mahafinaritra tokoa
    ka na inona atao
    dia hitobaka ny soa.





    Fredy JAOFERA

     

     

    HAVATSA-UPEM

     

     

     

    NOHO NY FITIAVANA

     

     

     

    Raha nisalasala aho
    dia noho ny fitiavana
    fa tsy ny izao sy izao
    na noho ny finiavana.




    Raha nangingina aho
    dia noho ny fitiavana
    fa nisento ka anjakao
    ny foko tia mihavana.




    Raha nihenahena aho
    dia noho ny fitiavana
    fa voasedra ka fafao
    ny fery tomandavana.




    Raha nihafahafa aho
    dia noho ny fitiavana
    fa tsy adala  ka avelao
    ny ora ho fahasoavana.




    Fredy JAOFERA

     

     

    HAVATSA-UPEM

     

     

    SAFONONOKA

     

     

     

    Safononoka ny andro
    misy anao miray fitia
    sy indro fa mitandro
    hampety koa ny dia.




    Safononoka ny ainga
    misy anao mamalifaly,
    tsapa eto fa tsy lainga
    sy feno ako te hamaly.




    Safononoka ny hanta
    misy anao mihirahira,
    tsy mba mantamanta
    na angano arira arira.




    Safononoka ny mamy
    misy anao mamolavola
    indrindra rehefa samy
    mahazo angolangola.




    Fredy JAOFERA

     

     

    HAVATSA-UPEM

     

     

    VAO MAINKA

     

     

    Vao mainka mirehitra
    'rony afom-pitiavana
    tsy nisy mba nihevitra
    fa mbola hihagoavana.



    Vao mainka nitombo
    'reny toky niarahana
    navelako ho dombo,
    na nivavavavahana.


    Vao mainka nipoitra
    'reny hiran'ny manina
    nambara ho tsotsotra
    fa maro nahafanina.



    Vao mainka miverina
    'reny sangy tsy lany
    raha nantitranterina
    ny hieritreritra any.





    Fredy JAOFERA

     

     

    HAVATSA-UPEM

     

     

    NY FAHALEOVANTENA

     

     

    Ny fahaleovantena dia vonim-pahafahana
    hampiranga amin'izay ny mari-pivoarana
    tsy ilaina hamoha fofom-panjanahana
    nanageja antsika tsy nisy fitsaharana.




    Ny fahaleovantena dia lalan-tsarobidy
    hisondrotan'ny valalatsimandadiharona
    fa tsy tarigetra na ambarako ho safidy
    hanadinoana ny hafa fa eo re hanarona.




    Ny fahaleovantena dia asa mavesatra
    hahasoa ombieny an'ity tanindrazana
    tadiavina hatrany mandra-pandrezatra
    na mandra-pahavoky ny olona tazana.




    Ny fahaleovantena dia fiaina misosa
    tsy hanavakavahana an'iza fa tiako
    mbola haharavo hatamin'ireo osa,
    na aiza na aiza no zavatra iadiako.





    Fredy JAOFERA

     

     

    HAVATSA-UPEM

     

     

    NY POETA,HONO !...

     

     

    Ny poeta, hono,
    olona efa adala
    ka tsy mahajono
    'reny soa mijoala.


    Ny poeta, hono,
    mpanonofy lava
    ka tsy mahatono
    ny tsara fa miava.


    Ny poeta, hono,
    mpirediredy foana
    ka tsy mahavono
    ny ainga mitaona.


    Ny poeta, hono,
    olona mahantra
    ka tsy be ronono
    sy tsy mba fiantra....


    Kanefa,


    Be ny tsy poeta
    zara raha mahita
    'zay mahatafita
    fa mangetaheta !


    Be ny tsy poeta
    zara raha mahazo
    'zay anjaram-bazo
    fa toa mitetateta !


    Be ny tsy poeta
    toa tsy mahatody
    'zay ilainy hisody,
    na dia feno feta !


    Be ny tsy poeta,
    tsy mahalasa firy,
    na tsy makadiry
    'tony retareta !




    Fredy JAOFERA

     

     

    HAVATSA-UPEM

     

     

    NY ELA NIARETAKO

     

     

    Ny ela niaretako hatramin'izay
    dia ny hananako hoavy tsy hisy tomany
    ka hiravoravoan'ito fo te hahay
    hibitaka ombieny haneho ny hatsarany.




    Ny ela niaretako hatramin'izay
    dia ny hananako taona tsy hisy tomika,
    hisosasosan'ny vazo avo indray
    hahasambatra foana sy hahasariaka.




    Ny ela niaretako hatramin'izay
    dia ny hananako andro tsy hisy tafiotra
    hamotika lava ny sisa tsy may,
    na aiza na aiza ary tsy hampiriodriotra.




    Ny ela niaretako hatramin'izay
    dia ny hananako angola tsy hisy tangena,
    be rotsirotsy ary avy hampiray
    'reo tiako rehetra mba tsy hampivembena.




    Fredy JAOFERA

     

     

    HAVATSA-UPEM

     

     

    ONDRY BOTRY

     

     

    Natositosika ny ondry botry
    ka aza tezitra raha be akotry
    'zay varinao manomboka eto
    f'izany no fiainana ka raketo.




    Mahaiza mionona f'izay natao
    hamotika ho azy ny fiainanao
    hikororoso tsy hita ambara
    rehefa izay no, hoe, anjara.



    Mahaiza mamindra fa ny vita
    avy handrava sy tsy hahatafita
    ary haneso sy hampivoraka
    rehefa ny ratsy no natoraka.



    Mahaiza migoka fa ny lasa
    dia any ihany sy mbola miasa :
    mitondra alahelo toa hafahafa,
    tsy nahatongavako hifampitafa.




    Fredy JAOFERA

     

     

     

      HAVATSA-UPEM

     

     

     

    IZAO NO ORA

     

     

    Izao no ora sitrako
    hampiova ny lasa,
    na dia tsy ritrako
    ny ratra nikasa...




    Izao no ora mamiko
    hampihira ny taona,
    na dia tsy voalamiko
    ho tsiky eto foana.





    Izao no ora tiako
    hampiala ny mafy
    fa saika fahoriako
    tsy mba nampitafy.




    Izao no ora tsara
    hisaorako ny Avo
    fa tsy diso anjara
    nahazo fo miravo.





    Fredy JAOFERA

     

     

    HAVATSA-UPEM

     

     

     

     

    ANGAMBA NISY IHANY

     

     

     

    Niala nenina aho nanaja foana ombieny :
    nitady izay nirina sy ny mamy lavareny,
    nikendry sy nikatsaka izay mety nahasoa
    anefa dia nompaina no nesoina tao am-po.



    Angamba nisy ihany ny tsara izay nomena
    ka nahoana loatra re no niova sy nivena :
    tonga olon-kafa sy tsaroako toa vahiny,
    nanodina ny saiko lasalasa ankehitriny ?



    Angamba nisy ihany ny niraisantsika roa
    ka nahoana re no toa namadika ahy tokoa :
    nanimba sy nandrava ireo vitako orimbato
    ho antsika irery etoana sy mamiko in-jato ?



    Angamba nisy ihany ireo daty sy fotoana
    nipetraka ho tantara sy hita mba nitaona
    ka nahoana àry anio mampilafila lava,
    nahatezitra ny foko hibedy lalandava ?





    Fredy JAOFERA

     

    HAVATSA-UPEM

     

     

     

     

    NY FIAVONAVONANA

     

     

     

    Tsarovy fa ny fiavonavonana,
    tsy toetra mitondra mankaiza,
    na rehefa eny am-bovonana
    no misy anareo, ry sakaiza !




    Ny tany ka fihodinkodinana
    ka mahaiza mitandrina etoana,
    na mihira sy be fanambinana
    fa tsy hay izay ho fanesoana.




    Malama avokoa sady maina
    'zay diavina foana matetika
    ka mahaiza ho tsara fiaina
    sao dia ho ratsy fitetika !




    Tsarovy fa ny fiavonavonana
    tsy mitondra izay fihavanana 
    ka esory na tsara hotakonana
    fa tsy hahitam-piadanana.




    Fredy JAOFERA

     

    HAVATSA-UPEM

     

     

    AO ANATY

     

     

    Ao anaty feo miranga,
    andrenesam-pifaliana,
    misy antso tena manga
    antenaina tsy zoviana.




    Ao anaty 'tony maso,
    misy jery lalandava
    tsy mitady ranomaso,
    mahamirana ny tava.




    Ao anaty fo mitia,
    misy toky makadiry
    tsy mamely, sanatria,
    vao indro fa mitsiry.




    Ao anaty 'tony saina ,
    misy tsiaro tsy tafala,
    misy nofy noderaina
    any ihany sy mijoala.




    Fredy JAOFERA

     

     

    HAVATSA-UPEM

     

     

     

    MASINA

     

     

    Masina ianao, ry teniko,
    ka n'aiza n'aiza, arovako
    toy ny anakandriamaso !...
    Tsoriko aza na tsy afeniko
    fa mbola anjara lovako
    tsy ilana hasohaso.



    Masina ianao, ry teniko,
    ka tena hajaiko fatratra
    mbola haharitra ela be ;
    tiako toy ny reniko
    fa teny tonga lafatra
    ao am-poko, na tsy re.



    Masina ianao, ry teniko,
    ka tsy atakaloko mihitsy,
    na rahoviana na rahoviana ;
    eny, lafo ka tsy ho neniko
    ny hanondrotra, na vitsy
    'reo tokim-pitahiana.



    Fredy JAOFERA

     

     

    HAVATSA-UPEM

     

     

     

     

    REHEFA NY FIANARANA...

     

     

    Rehefa ny fianarana
    no tsy mba isasarana,
    atao ambanin-javatra
    sy ankahalaina fatratra
    dia aza asiana nenina
    rehefa mipenipenina.



    Rehefa ny fianarana
    no tsy mba nanitarana
    ny soa tsy maintsy ilaina
    ho entintsika miaina
    dia aza taitra intsony
    ra' toa tsy lasa ambony.



    Rehefa ny fianarana
    no tsy mbola iangarana
    fa atao an-jorom-bala
    vao misy ilay malala
    dia aoka tsy hitomany
    ra'rendrika avy hatrany.



    Rehefa ny fianarana
    no tsy mba nanazarana
    ny saina anananao
    fa "revy" sy lalao...
    Tsy misy fahagagana
    ny ditra re, mazàna.



    Rehefa ny fianarana
    no tsy mba namaharana
    fa nasolo...Nanekena
    ny vola aman-karena
    dia 'zay ny anao no vita,
    na miseho " mahitahita " !




    Fredy JAOFERA

     

    HAVATSA-UPEM

     

    HAVATSA-UPEM

     

    HAVATSA-UPEM

     

    HAVATSA-UPEM

     

    HAVATSA-UPEM

     

    HAVATSA-UPEM

     

    HAVATSA-UPEM

     

    HAVATSA-UPEM

     

    HAVATSA-UPEM

     

    HAVATSA-UPEM

     

    HAVATSA-UPEM

     

    HAVATSA-UPEM

     

    HAVATSA-UPEM

     

    HAVATSA-UPEM

     

    HAVATSA-UPEM

     

    HAVATSA-UPEM

     

     

    HAVATSA-UPEM

     

    HAVATSA-UPEM

     

    HAVATSA-UPEM

     

    HAVATSA-UPEM

     

     

     

     

     

    HAVATSA-UPEM

     

    HAVATSA-UPEM

     

     

    HAVATSA-UPEM

     

    HAVATSA-UPEM

     

    HAVATSA-UPEM

     

    HAVATSA-UPEM

     

    HAVATSA-UPEM

     

    HAVATSA-UPEM

     

    HAVATSA-UPEM

     

    HAVATSA-UPEM

     

    HAVATSA-UPEM

     

    HAVATSA-UPEM

     

    HAVATSA-UPEM

    HAVATSA-UPEM

     

    HAVATSA-UPEM

     

    HAVATSA-UPEM

     

    HAVATSA-UPEM

     

    HAVATSA-UPEM

     

    HAVATSA-UPEM

     

    HAVATSA-UPEM

     

    HAVATSA-UPEM

     

    HAVATSA-UPEM

     

    HAVATSA-UPEM

     

    HAVATSA-UPEM

     

    HAVATSA-UPEM

     

    HAVATSA-UPEM

     

     

     

     

    HAVATSA-UPEM

     

    HAVATSA-UPEM

     

    HAVATSA-UPEM

     

    HAVATSA-UPEM

     

    HAVATSA-UPEM

     

    HAVATSA-UPEM

     

    HAVATSA-UPEM

     

    HAVATSA-UPEM

     

    HAVATSA-UPEM

     

    HAVATSA-UPEM

     

    HAVATSA-UPEM

     

    HAVATSA-UPEM

     

    HAVATSA-UPEM

     

    HAVATSA-UPEM

    HAVATSA-UPEM

     

    HAVATSA-UPEM

     

    HAVATSA-UPEM

     

    HAVATSA-UPEM

     

    HAVATSA-UPEM

     

    HAVATSA-UPEM

     

    HAVATSA-UPEM

     

    HAVATSA-UPEM

     

    HAVATSA-UPEM

     

    HAVATSA-UPEM

     

     

    HAVATSA-UPEM

     

    HAVATSA-UPEM

     

    HAVATSA-UPEM

     

    HAVATSA-UPEM

     

     

    HAVATSA-UPEM

     

    HAVATSA-UPEM

     

    HAVATSA-UPEM

     

     

    HAVATSA-UPEM

     

     

    NY TALENTAKO

     

    HAVATSA-UPEM

     

    HAVATSA-UPEM