•  

    Fredy JAOFERA

     

    Poète

    Co-Fondateur et 1er Vice-Président de l'Union des Poètes et Ecrivains Malgaches section France

    Vice-Président de la Maison Culturelle Malgache de France

    Membre de l'Association des Poètes des Afriques et d'Ailleurs

    Chevalier de l'Ordre des Arts, des Lettres et de la Culture par la République de Madagascar

     

     

     

     

     

    Ry Mpamaky,

     

     

             Vao dimy taona monja aho teto an-tany dia efa nisy tao amiko ny faniriana hanoratra saingy amin'ny maha-zaza ahy dia mbola ny lalao no mibahana tao an-tsaina mandrakariva. Na dia izany aza anefa dia efa nisy feon'ny fieritreretako no nibitsika ahy foana hoe :  " Manorata", "Raiso ny penina ", na dia mbola ankizy aza aho sy tsy matotra ny saina sy ny fomba fanoratra ary tsy voafehiko akory ny teny malagasy. Noraisiko ny penina ary manoratra aho haztramin'izao. Ny andro, ny taona, ny fotoana, ny sedra, ny ady mafy ary ny ranomaso no nanefy, nanamboatra, namolavola ary nikolokolo ahy teny amin'ny fiainana ka nambosesika hatrany ny aingampanahy izay tsapako toy ny loharano tsy ritra ao anatiko ao.

      

     

                                                   Fredy JAOFERA  

     

     

     

     

     

    AO

     

     

    Ao mitady fahoriana,
    ao mitady fiadanana ;
    ao no mahazo fijaliana,
    ao no mahazo fihavanana.



    Ao mitady fandravana,
    ao mitady fanorenana ;
    ao no very mihanahana,
    ao no ravo be fonenana.



    Ao mitady herisetra,
    ao mitady zava-tsoa ;
    ao no ory tsisy fetra,
    ao no tretrika tokoa.



    Ao mitady ranomaso,
    ao mitady fahendrena,
    ao no lavo be ankaso,
    ao no mahazo fandresena.




    Fredy JAOFERA

     

     

     

     

     

    MANARAKA

     

     

    Manaraka ahy ihany

    ny endrikao taloha

    ka malahelo izany

    sy hafahafa koa.

     

     

    Manaraka ahy ihany

    ny tsikinao tsy foiko,

    miampy ireo tomaniko,

    ry efa nohadinoiko !

     

     

    Manaraka ahy ihany

    ny hasambarantsika,

    maniry ny hankany

    fa mila hangatsiaka.

     

     

    Manaraka ahy ihany

    ny voady izay natao,

    mamelona ny tany

    hivazo tahaka izao.

     

     

     

    Fredy JAOFERA

     

     

     

     

     

     

     

     

    ISANY

     

     

     

    Isan'ny fiainako

    ny fananako anao :

    tsiky marainako

    tsy misy raorao.

     

     

    Isan'ny andriko

    tsy hampiroaroa,

    tena tsy andriko

    raha any tokoa.

     

     

    Isan'ny anjarako

    mamy aok'izany

    ilain'ny anarako

    raha lasa vinany.

     

     

    Isan'ny vintako

    mpamelon-kira

    tian'ito kintako

    ka avia mifikira.

     

     

     

    Fredy JAOFERA

     

     

     

     

     

     

     

    MATETIKA

     

     

     

    Matetika ianao

    no vetsovetsoina

    hitondra hira vao

    sy hita antsoina.

     

     

    Matetika ianao

    no eritreretina

    hampifamaho

    'reo noraketina.

     

     

    Matetika ianao

    no taditadiavana

    hiteny ahy andao

    fa efa notoavina.

     

     

    Matetika ianao

    no tsarotsaroana

    hanova eto izao

    ho firavoravoana.

     

     

     

    Fredy JAOFERA

     

     

     

     

     

     

    NY FOKO NO POETY

     

     

     

    Ny rima izay mivoaka

    raha toa ka metimety,

    tsy nampiasaina toaka

    fa ny foko no poety.

     

     

    Ny ainga izay misosa

    raha ambara vetivety,

    tsy mpirediredy kosa

    fa ny foko no poety.

     

     

    Ny vetso izay mitsiry

    raha feno sy tia fety,

    tsy tery na mba kiry

    fa ny foko no poety.

     

     

    Ny kanto izay miseho

    raha harena sy mitety,

    tsy tonga ho azy teo

    fa ny foko no poety.

     

     

     

    Fredy JAOFERA

     

     

     

     

     

     

     

    TSINDRIAN-DAONA

     

     

     

    Tsindrian-daona

    ny tenako ho any

    fa ela tsy nihaona

    ka misento ihany.

     

     

    Tsindrian-daona

    ny hahita tarehy

    sao dia misaona

    fa tsy mihomehy.

     

     

    Tsindrian-daona

    ny hahazo vaovao

    fa efa aman-taona

    no mba nifandao.

     

     

    Tsindrian-daona

    ny hahare tantara,

    satry tsy hivaona

    fa ho tsara fiafara.

     

     

     

    Fredy JAOFERA

     

     

     

     

    TSY AHOAKO

     

     

     

    Tsy ahoako ny halavirana

    rehefa misy ny fitiavana,

    mazam-be ny fifikirana,

    toy izany ny finiavana.

     

     

    Tsy ahoako ny harerahana

    rehefa misy hasambarana,

    tsy mba misy fanebahana

    fa hafaliana azo ianarana.

     

     

    Tsy ahoako ny hafanana

    rehefa tanjona ny ho any

    fa tsaroana mahatamana

    sy feno tsiro tsy hita lany.

     

     

    Tsy ahoako izay diavina

    rehefa ambara  fa fotoana,

    ianao ange tsy azo lavina

    sy mampiainga eto foana.

     

     

     

    Fredy JAOFERA

     

     

     

    TSY NIOVA

     

     

     

    Tsy niova aho akory

    fa mbola ito mitory

    ny fitiavako anao

    tsy mety mandao.

     

     

    Tsy niova aho akory

    fa mainka mamory

    'reny taona tsy foy,

    na,hoe, hadinoy.

     

     

    Tsy niova aho akory

    fa raha tsy matory

    dia manoratra lava

    ny voady efa rava.

     

     

    Tsy niova aho akory

    fa raha vao oriory

    dia miverina foana

    ny ora nahamoana.

     

     

    Tsy niova aho akory

    fa raha vao sorisory

    no mameno ny tany

    dia lasa-tomany.

     

     

     

    Fredy JAOFERA

     

     

     

     

    TSY HIVERENAKO

     

     

     

    Tsy hiverenako

    ny hita nandratra

    na hanorenako

    ny soa tsisy fatra.

     

     

    Tsy hiverenako

    'zay efa nandao

    na hanarenako

    ny Lasa nahamavo.

     

     

    Tsy hiverenako

    'zay efa nandrava

    na hitombenako

    fa hoe mbola hisava.

     

     

    Tsy hiverenako

    'zay efa nahavoa

    sao hanenenako

    ka hahakenda tokoa.

     

     

     

    Fredy JAOFERA

     

     

    AZA FOHAZINA

     

     

     

    Aza fohazina eto intsony

    ny alahelo izay matory

    sao hitraotra ka ny ony

    hisavora...Hanorisory !

     

     

    Aza fohazina eto intsony

    ny ranomaso izay mijoy

    sao hikiky ka tsy hitony

    ny sentosento be nitohy.

     

     

    Aza fohazina eto intsony

    ny adiady izay nitranga

    sao re indro ho lonilony

    no hisisika sy hiranga.

     

     

    Aza fohazina eto intsony

    ny tebiteby izay nahazo

    sao ho faty ka tsy hamony

    'lay niriko ho voninkazo.

     

     

     

    Fredy JAOFERA

     

     

     

     

    HADINONAO VE ?

     

     

     

    Hadinonao ve

    ireo hirahirantsika

    fa ny foko kely ange

    mahay mamorona mozika ?

     

     

     

    Hadinonao ve

    'lay takarivantsika

    fa n'aiza n'aiza aleha

    mbola ravo sy mikiaka ?

     

     

     

    Hadinonao ve

    'reo fahatsiarovantsika

    fa ny hany sisa re

    toa kalo iray mandriaka ?

     

     

     

     

    Fredy JAOFERA

     

     

     

     

    MISY SORATSORATRA

     

     

     

    Misy soratsoratra

    namborahana fitiavana,

    mbola ohatrohatra

    manefy tomandavana.

     

     

    Misy soratsoratra

    mamoha indray ny ratra

    sy manokatsokatra

    ny alahelo izay nihatra.

     

     

    Misy soratsoratra

    mitondra ny ady mafy

    toa mamela holatra

    sy tsaroana nampihafy.

     

     

    Misy soratsoratra

    mampirotsa-dranomaso,

    na efa mamokatra

    hasambarana hita maso.

     

     

     

    Fredy JAOFERA

     

     

     

     

    IZAY MISY NY FITIAVANA

     

     

     

    Izay misy ny fitiavana

    no misy fahasambarana

    raha any no itadiavana

    'reo nofy nisantarana.

     

     

    Izay misy ny fitiavana

    no misy fahombiazana

    raha any re, rahavana,

    ny tsiky no fafazana.

     

     

    Izay misy ny fitiavana

    no misy fanambinana

    raha any izay goavana

    ho toky sy fiankinana.

     

     

    Izay misy ny fitiavana

    no misy ny eritreritra

    raha any tomandavana

    ny saina sy ny hevitra.

     

     

     

    Fredy JAOFERA

     

     

     

     

     

     

     

     

     

     

     

     

     

     

     

     

     

     

     

     

     

     

     

     

     

     

     

     

     

     


    votre commentaire


    Suivre le flux RSS des articles de cette rubrique
    Suivre le flux RSS des commentaires de cette rubrique