Eklablog Tous les blogs
Editer l'article Suivre ce blog Administration + Créer mon blog
MENU

Publicité

 

Fredy JAOFERA

 

Poète

Co-Fondateur et 1er Vice-Président de l'Union des Poètes et Ecrivains Malgaches section France

Vice-Président de la Maison Culturelle Malgache de France

Membre de l'Association des Poètes des Afriques et d'Ailleurs

Chevalier de l'Ordre des Arts, des Lettres et de la Culture par la République de Madagascar

 

 

 

 

 

Ry Mpamaky,

 

 

         Vao dimy taona monja aho teto an-tany dia efa nisy tao amiko ny faniriana hanoratra saingy amin'ny maha-zaza ahy dia mbola ny lalao no mibahana tao an-tsaina mandrakariva. Na dia izany aza anefa dia efa nisy feon'ny fieritreretako no nibitsika ahy foana hoe :  " Manorata", "Raiso ny penina ", na dia mbola ankizy aza aho sy tsy matotra ny saina sy ny fomba fanoratra ary tsy voafehiko akory ny teny malagasy. Noraisiko ny penina ary manoratra aho haztramin'izao. Ny andro, ny taona, ny fotoana, ny sedra, ny ady mafy ary ny ranomaso no nanefy, nanamboatra, namolavola ary nikolokolo ahy teny amin'ny fiainana ka nambosesika hatrany ny aingampanahy izay tsapako toy ny loharano tsy ritra ao anatiko ao.

  

 

                                               Fredy JAOFERA  

 

 

 

 

 

AO

 

 

Ao mitady fahoriana,
ao mitady fiadanana ;
ao no mahazo fijaliana,
ao no mahazo fihavanana.



Ao mitady fandravana,
ao mitady fanorenana ;
ao no very mihanahana,
ao no ravo be fonenana.



Ao mitady herisetra,
ao mitady zava-tsoa ;
ao no ory tsisy fetra,
ao no tretrika tokoa.



Ao mitady ranomaso,
ao mitady fahendrena,
ao no lavo be ankaso,
ao no mahazo fandresena.




Fredy JAOFERA

 

 

 

 

 

MANARAKA

 

 

Manaraka ahy ihany

ny endrikao taloha

ka malahelo izany

sy hafahafa koa.

 

 

Manaraka ahy ihany

ny tsikinao tsy foiko,

miampy ireo tomaniko,

ry efa nohadinoiko !

 

 

Manaraka ahy ihany

ny hasambarantsika,

maniry ny hankany

fa mila hangatsiaka.

 

 

Manaraka ahy ihany

ny voady izay natao,

mamelona ny tany

hivazo tahaka izao.

 

 

 

Fredy JAOFERA

 

 

 

 

 

 

 

 

ISANY

 

 

 

Isan'ny fiainako

ny fananako anao :

tsiky marainako

tsy misy raorao.

 

 

Isan'ny andriko

tsy hampiroaroa,

tena tsy andriko

raha any tokoa.

 

 

Isan'ny anjarako

mamy aok'izany

ilain'ny anarako

raha lasa vinany.

 

 

Isan'ny vintako

mpamelon-kira

tian'ito kintako

ka avia mifikira.

 

 

 

Fredy JAOFERA

 

 

 

 

 

 

 

MATETIKA

 

 

 

Matetika ianao

no vetsovetsoina

hitondra hira vao

sy hita antsoina.

 

 

Matetika ianao

no eritreretina

hampifamaho

'reo noraketina.

 

 

Matetika ianao

no taditadiavana

hiteny ahy andao

fa efa notoavina.

 

 

Matetika ianao

no tsarotsaroana

hanova eto izao

ho firavoravoana.

 

 

 

Fredy JAOFERA

 

 

 

 

 

 

NY FOKO NO POETY

 

 

 

Ny rima izay mivoaka

raha toa ka metimety,

tsy nampiasaina toaka

fa ny foko no poety.

 

 

Ny ainga izay misosa

raha ambara vetivety,

tsy mpirediredy kosa

fa ny foko no poety.

 

 

Ny vetso izay mitsiry

raha feno sy tia fety,

tsy tery na mba kiry

fa ny foko no poety.

 

 

Ny kanto izay miseho

raha harena sy mitety,

tsy tonga ho azy teo

fa ny foko no poety.

 

 

 

Fredy JAOFERA

 

 

 

 

 

 

 

TSINDRIAN-DAONA

 

 

 

Tsindrian-daona

ny tenako ho any

fa ela tsy nihaona

ka misento ihany.

 

 

Tsindrian-daona

ny hahita tarehy

sao dia misaona

fa tsy mihomehy.

 

 

Tsindrian-daona

ny hahazo vaovao

fa efa aman-taona

no mba nifandao.

 

 

Tsindrian-daona

ny hahare tantara,

satry tsy hivaona

fa ho tsara fiafara.

 

 

 

Fredy JAOFERA

 

 

 

 

TSY AHOAKO

 

 

 

Tsy ahoako ny halavirana

rehefa misy ny fitiavana,

mazam-be ny fifikirana,

toy izany ny finiavana.

 

 

Tsy ahoako ny harerahana

rehefa misy hasambarana,

tsy mba misy fanebahana

fa hafaliana azo ianarana.

 

 

Tsy ahoako ny hafanana

rehefa tanjona ny ho any

fa tsaroana mahatamana

sy feno tsiro tsy hita lany.

 

 

Tsy ahoako izay diavina

rehefa ambara  fa fotoana,

ianao ange tsy azo lavina

sy mampiainga eto foana.

 

 

 

Fredy JAOFERA

 

 

 

TSY NIOVA

 

 

 

Tsy niova aho akory

fa mbola ito mitory

ny fitiavako anao

tsy mety mandao.

 

 

Tsy niova aho akory

fa mainka mamory

'reny taona tsy foy,

na,hoe, hadinoy.

 

 

Tsy niova aho akory

fa raha tsy matory

dia manoratra lava

ny voady efa rava.

 

 

Tsy niova aho akory

fa raha vao oriory

dia miverina foana

ny ora nahamoana.

 

 

Tsy niova aho akory

fa raha vao sorisory

no mameno ny tany

dia lasa-tomany.

 

 

 

Fredy JAOFERA

 

 

 

 

TSY HIVERENAKO

 

 

 

Tsy hiverenako

ny hita nandratra

na hanorenako

ny soa tsisy fatra.

 

 

Tsy hiverenako

'zay efa nandao

na hanarenako

ny Lasa nahamavo.

 

 

Tsy hiverenako

'zay efa nandrava

na hitombenako

fa hoe mbola hisava.

 

 

Tsy hiverenako

'zay efa nahavoa

sao hanenenako

ka hahakenda tokoa.

 

 

 

Fredy JAOFERA

 

 

AZA FOHAZINA

 

 

 

Aza fohazina eto intsony

ny alahelo izay matory

sao hitraotra ka ny ony

hisavora...Hanorisory !

 

 

Aza fohazina eto intsony

ny ranomaso izay mijoy

sao hikiky ka tsy hitony

ny sentosento be nitohy.

 

 

Aza fohazina eto intsony

ny adiady izay nitranga

sao re indro ho lonilony

no hisisika sy hiranga.

 

 

Aza fohazina eto intsony

ny tebiteby izay nahazo

sao ho faty ka tsy hamony

'lay niriko ho voninkazo.

 

 

 

Fredy JAOFERA

 

 

 

 

HADINONAO VE ?

 

 

 

Hadinonao ve

ireo hirahirantsika

fa ny foko kely ange

mahay mamorona mozika ?

 

 

 

Hadinonao ve

'lay takarivantsika

fa n'aiza n'aiza aleha

mbola ravo sy mikiaka ?

 

 

 

Hadinonao ve

'reo fahatsiarovantsika

fa ny hany sisa re

toa kalo iray mandriaka ?

 

 

 

 

Fredy JAOFERA

 

 

 

 

MISY SORATSORATRA

 

 

 

Misy soratsoratra

namborahana fitiavana,

mbola ohatrohatra

manefy tomandavana.

 

 

Misy soratsoratra

mamoha indray ny ratra

sy manokatsokatra

ny alahelo izay nihatra.

 

 

Misy soratsoratra

mitondra ny ady mafy

toa mamela holatra

sy tsaroana nampihafy.

 

 

Misy soratsoratra

mampirotsa-dranomaso,

na efa mamokatra

hasambarana hita maso.

 

 

 

Fredy JAOFERA

 

 

 

 

IZAY MISY NY FITIAVANA

 

 

 

Izay misy ny fitiavana

no misy fahasambarana

raha any no itadiavana

'reo nofy nisantarana.

 

 

Izay misy ny fitiavana

no misy fahombiazana

raha any re, rahavana,

ny tsiky no fafazana.

 

 

Izay misy ny fitiavana

no misy fanambinana

raha any izay goavana

ho toky sy fiankinana.

 

 

Izay misy ny fitiavana

no misy ny eritreritra

raha any tomandavana

ny saina sy ny hevitra.

 

 

 

Fredy JAOFERA

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

Publicité
Retour à l'accueil
Partager cet article
Repost0
Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article